You are on page 1of 24

TOROLALANA HO AMIN’NY

FAMBOLENA VOLOBE

Jolay 2020
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

Fanoroana pejy
1. Famaritana ny mombamoba ny volobe eto Madagasikara ........................................... 1

1.1. Ny toerana misy ny volobe eto Madagasikara ................................................................................... 1

1.2. Toetoetry ny volobe fampiasa matetika eto Madagasikara ............................................................ 2

2. Tsara ho fantatra mialoha ny hamboly volobe .............................................................. 3

2.1. Ireo antony hambolena volobe ............................................................................................................. 3

2.2. Dingana arahina raha hitady toerana hambolena volobe ................................................................ 4

2.2.1. Raha tanim-panjakana (DFN, RFR, Domaniale)........................................................................ 4

2.2.2. Raha tany manan-tompo / tanin’olon-tsotra ............................................................................. 5

2.3. Karazana volobe fampiasa sy famboly matetika................................................................................. 5

2.4. Karazana fomba enti-manatanteraka ny fambolena volobe ............................................................ 6

3. Dingana ara-teknika amin’ny fambolena volobe ............................................................ 6

3.1. Famatsiana zanaka volobe ....................................................................................................................... 6

3.1.1. Fomba fahazoana zanaka volobe .................................................................................................. 6

3.1.2. Fametrahana sy fikarakarana taninjanakazo............................................................................. 11

3.1.3. Fanesehana ny kitapon-janakazo sy fanetsana ny zanaka volo ............................................ 14

3.1.4. Fikolokoloana ny zanaka volobe ................................................................................................ 14

3.1.5. Toerana famatsiana zanaka volobe ............................................................................................ 15

3.1.6. Fomba famoahana ny zanaka volobe mialoha ny fambolena ............................................... 15

3.2. Dingana amin’ny fambolena volobe .................................................................................................... 15

3.2.1. Fisafidianana ny tany...................................................................................................................... 15

3.2.2. Fanomanana ny tany hambolena volobe .................................................................................. 16

3.2.3. Tekinikam-pambolena .................................................................................................................. 16

3.3. Fikolokoloana ny zanaka volobe novolena ....................................................................................... 18

4. Tetiandron’ny fambolena volobe .................................................................................. 19

5. Tombam-bidy amin’ny dingana fambolena volobe...................................................... 19

6. Ireo mety ho fahasarotana misy amin’ny fambolena volobe ...................................... 20

0
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

1. Famaritana ny mombamomba ny volobe eto Madagasikara


1.1. Ny toerana misy ny volobe eto Madagasikara

Ahitana volobe avokoa ny ankamaroan’ny faritra eto


Madagasikara fa ny faritra atsinanana no tena betsaka
azy. Samihafa araka ny toerana fiparitahany kosa ny
karazana mety hambolena. Ny volobe dia tsy hazo fa
karazana bozaka manana haavo mihoatra na mitovy
aminy.

Karazana volobe fampiasa matetika : valiha, volo, pika


(Valiha diffusa), bararata (Phyllostachys aurea),
volobemavo (Dendrocalamus giganteus), volobe
ambovahitra (Dendrocalamus asper), blankara, volo
gasy (Bambusa vulgaris), volo soratra (Gigantochloa
pseudoarundinacea), Bambusa balcooa, Dendrocalamus
strictus, Bambusa bambos

Ireo karazana volobe hita eto Madagasikara ankoatra


ireo fampiasa matetika
Cathariostachys capitata, Cathariostachys
madagascariensis, Cephalostachyum chapelieri,
Cephalostachyum perrieri, Cephalostachyum viguieri,
Decaryochloa diadelpha, Hickelia alaotrensis, Hickelia
madagascariensis, Hickelia perrieri, Hitchcockella
baronii, Nastus ambrensis, Nastus aristatus, Nastus
decaryanus, Nastus elongatus, Nastus emirnensis,
Nastus humbertianus, Nastus lokohoensis, Nastus madagascariensis, Nastus manongarivensis, Nastus perrieri,
Nastus tsaratananensis, Perrierbambus madagascariensis, Perrierbambus tsarasaotrensis, Schizostachyum perrieri,
Sirochloa parvifolia, Thamnocalamus ibityensis, Valiha diffusa, Valiha perrieri, Yushania humbertii, Yushania
madagascariensis, Yushania perrieri.

Ireo karazana toerana mety hambolena volobe

1
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

1.2. Toetoetry ny volobe fampiasa matetika eto Madagasikara


Karazana volo Habeny Halavany Maripana Rotsak’ora Halalin’ny PH tany Vokatra/Ha/ Fampiasana azy
sm metatra °c na ilaina tany sm Taona Taonina
Cephalostachyum 6-12 10-19 18 à 30 > 800 mm +40 4,5 à 8,0. 4-6 Pousse de bambou :
pergracile fanaingona
Dendrocalamus asper 12-20 18-30 18 à 30 > 900mm +40 4,5 à 8,0. 6-9
Dendrocalamus 10-18 18-28 17 à 28 > 900 mm +40 4,5 à 8,0 5-8
yunnanensis Pousse de bambou, asa
Dendrocalamus fuminensis 10-18 18-28 18 à 30 > 900 mm +40 4,5 à 8,0. 5-8 sikotra, taotrano
Dendrocalamus 10-18 16-26 17 à 26 > 900 mm +40 4,5 à 8,0 5-8
diannanensis.
Dendrocalamus peculiaris 10-18 16-27 17 à 26 > 900 mm +40 4,5 à 8,0. 5-8
Dendrocalamus 10-18 15-27 18 à 30 > 800 mm +40 4,5 à 8,0 5-8
membranaceus cv. Grandis Poue de bambou, asa sikotra,
Dendrocalamus barbatus 10-18 15-27 18à30 > 800 mm +40 4.5-8.0 5-8 taotrano, asa tanana
Dendrocalamus laosensis 16-25 25 à 37 18 à 33 > 800 mm +40 4,5 à 8,0 5-8
Dendrocalamus sinicus 22-30 25-40 18-30 > 900mm +50 4,5-7,5 8-12 Pousse de bambou, asa
sikotra, taotrano, tavim-
boninkazo.
Bambusa longinternode 8-13 , 12-22 18 à 30 > 800 mm +40 4,5 à 8,0 5-7
Pousse de bambou, asa
Bambusa polymorpha 12-20 20-32 18-30 > 800 mm +40 4,5 à 8,0 7-9
sikotra, taotrano, asa tanana
Bambusa lapidea 10-18 15-27 18 à 30 > 800 mm +40 4,5 à 8,0 5-7
Dendrocalamus strictus 3-8 8-20 20à 30 >800 mm +40 4 ,5 à 8,0 5-7 Fanaka, taotrano, asa tanana,
sakafo, sakafom-biby
Bambusa Bambos 10- 15 20 - 25 20 à 30 >900 mm +40 4,5 à 8,0 7-9 Taotrano, sakafo, asa tanana,
sakafom-biby, fefy
Bambusa Tulda 5-10 10 - 20 18 à 25 >800 mm +40 4,5 à 8,0 5-7 Asa tanana sy rary, taotrano,
fanaka, akora fanamboarana
zava-maneno sy taratasy.
Dendrocalamus 4-10 10 - 18 18 à 25 >800mm +40 4,5 à 8,0 5-7 Asa tanana, harona, fanaka,
Longispathus taratasy

2
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

2. Tsara ho fantatra mialoha ny hamboly volobe


2.1. Ireo antony hambolena volobe

Manatsara sy miaro ny nofontany, mitahiry loharano Asolo ny hazo

Famokarana arina fandrehitra Fanodinana herinaratra (gasifier) Hanadiovana rano sy rivotra

Anaovana asa tanana sy fanaka maro samihafa Fitaovam-pitaterana

Atao sakafo sy tahirin-tsakafo ary fanafody

3
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

Anaovana akora fanaovana akanjo, taratasy sy samihafa

Anaovana hazotrano, gorodona, rindrina, tafo Atao sakafom-biby

Anamboarana fitaovana fanjonoana: vovo sy haranjono Sobika, garaba


2.2. Dingana arahina raha hitady toerana hambolena volobe
Miara-mijery ny sarintany sy mamaritra ny voly atao aloha vao midina ifotony mijery ny toerana iriana
hambolena hazo.

Mila manaraka ny dingana efa misy sy maka toky amin’ny Manampahefana eo an-toerana ary
manatanteraka fifanarahana.

2.2.1. Raha tanim-panjakana (DFN, RFR, Domaniale)

4
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

1- Manatona ny
sampandraharahan’ ny ala 3 - Mila mifanaraka
akaiky anao indrindra eny 2 - Miara-mijery tsara amin'ny Drafi-
anivon’ny faritra (DREDD, ifotony ny toerana irina panajariana misy ary
cantonnement) - DFN hambolena volobe manatanteraka
(Domaine Forestier fifanarahana
National)

5 - Fanaraha-maso 4 - Rehefa mifanaraka


6 - Famaritana ny tanterahan'ny tsara dia afaka manajary
toerana voavoly sampandraharahan’ ny ny toerana amin'ny voly
ala volobe

2.2.2. Raha tany manan-tompo / tanin’olon-tsotra

1 - Manomana ny toerana 2 – Manatona ny foibem-paritra, ireo


voatokana sy sampandraharahan’ny ala, mangataka
hanatanterahana fambolena fitsirihana ara-teknika sy miara-mijery ny
volobe toerana hanaovana fambolena

4 - Mampita ny sarin-tany
voavoly amin'ny 3 - Manatanteraka ny fambolena volobe
sampandraharahan'ny ala mifanaraka amin'ny fenitra ara-tekinika sy
akaiky, ireo karazana volobe mametraka ny fiarovana toy ny aro afo
nambolena sy ny isany

2.3. Karazana volobe fampiasa sy famboly matetika

Miankina amin’ny tanjona tiana ho tratrarina ny fisafidianana ny karazana volobe ho volena.


Fampiasa Karazana volobe Toetry ny volobe

Fitondrana entana Blankara Maivana, vaventy

Trano : Andry Volobemavo, Volobe ambovahitra Mafy, vaventy

Tsivalana Bararata Mafy, madinika

Rindrina Vologasy, Blankara Mora velarina sy arandrana

Garaba Blankara, valiha

Fanaka Bararata Mafy, madinika

Volobemavo, volobe ambovahitra Mafy, vaventy, matevina

5
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

Sakafombiby Volobemavo, Volobe ambovahitra, Ravina lehibe sy malemy no


blankara… tsara kokoa

Arina (saribao) Volobemavo, Volobe ambovahitra, Taho vaventy sy matevina


blankara… no tsara kokoa

Sakafo Volobemavo, Volobe ambovahitra, Fakabe mbola tanora, mamy


blankara… no tsara kokoa

Fitaovam-pitaterana Volobemavo, volobe ambovahitra Mafy, vaventy

Fitaovana fanjonoana Bararata Mafy, madinika

Fanamarihana : ireo karazana volo zanatany no ambara ato anaty tabilao, ireo karazana volo
nampidirina hatramin’ny taona 2010 dia vaventy azo anaovana fanaka, trano, arina. Ary ireo karazana
volobe na vahiny, na zanatany na naka volontany dia samy azo ampiasaina hanaovana zavatra maro.

2.4. Karazana fomba enti-manatanteraka ny fambolena volobe

Ny olon-tokana na fianakaviana, fikambanana samihafa, sekoly, orinasa, mpiara-miombon’antoka dia


afaka manao fambolena volobe avokoa.
• Fambolena volobe ataon’olon-tokana: manana tany vita baorina na mangataka tany
fambolena amin’ny fanjakana ;
• Fambolena volobe ataon’ny fikambanana: fivondronana olona manana tanjona mitovy
manatanteraka asa fambolena volobe, amin’ny toerana voafaritra tsara ;
• Fambolena volobe ataon’ny orinasa na mpisehatra tsy miankina amin’ny toerana
midadasika: orinasa na mpisehatra tsy miankina mijoro ara-dalàna, fambolena atao amin’ny
tany midadasika manana drafi-panajariana, mampiasa olona sy fitaovana avo lenta, mitondra
tombontsoa ara-tsosialy sy ara-toekarana.
• Fambolena volobe ataon’ny fanjakana: tontosaina mandritra ny taom-pambolenkazo izay
ifandrimbonan’ny olom-pirenena rehetra.

3. Dingana ara-teknika amin’ny fambolena volobe


Mizara 3 ny dingana fambolena volobe: ny famokarana zanaka volobe, ny fambolena sy ny fikarakarana
ary ny fikolokoloana ny volobe nambolena.

3.1. Famatsiana zanaka volobe


3.1.1. Fomba fahazoana zanaka volobe
3.1.1.1. Amin’ny alalan’ny voa

Fahazoana ambioka na fiotazana voa

Indray mandeha mamoa ihany ny volobe ary maty izy rehefa avy eo. Arakaraky ny karazany ny fotoana
amoazany ka mety ho 40 ka hatramin’ny 200 taona izany. Miovaova araka ny karazany ny habeny ka
misy mitovy amin’ny akotry ary misy kosa mitovy amin’ny manga. Fotoana fohy, iray na roa volana
monja dia tsy afaka mitsiry intsony ny voan’ny volobe ka tsy azo tehirizina ela. Tsara raha afafy faran’izay
haingana. Arakaraky ny maha ela ny fiandrasana no maha betsaka ny voa maty. Alohan’ny amafazana
azy dia azo atao ny mandona ny voa anaty rano mandritra ny alina.

6
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

Manjifa eny amin’ ireo Orinasa na fikambanana na Olon-tsotra na toerana mpamatsy ambioka voafantina sy
manara-penitra :

Ireo mpamatsy ny voa Toerana


Mpiantsehatra miaraka sy manohy Analamanga, Itasy, Bongolava, Haute Matsiatra, Vatovavy
ny asan’ny tetikasa PROSPERER Fitovinany, Boeny, Sofia, Atsinanana, Analanjirofo
INBAR sy CIBART Afarana avy any amin’ny firenena hafa: Chine, Inde, sns.
Vondron’olona Ifotony (VOI) Arakaraka ny toerana misy faritra ho volena

Azo atao ny manatona ireo sampandraharan’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy akaiky
izay afaka manome fanazavana fanampiny momba ny famatsiana voa

Fomba fikarakarana ny voa

1 – Fiotazana (voa matoy tsara, 2 – Alohan’ny amafazana azy 3 – Tsara raha tonga dia afafy ny
tsy simba na lanin’ny biby) dia azo atao ny mandona ny voa rehefa avy nangonina fa tsy
voa anaty rano mandritra ny iandrasana ela.
alina.

Raha liana mahakasika ny antsipirihany teknika dia manantona ny teknisiana eny amin’ny
Sampandraharan’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy eny amin’ny Faritra

3.1.1.2. Amin’ny alalan’ny fakabe sy ny sampana


Ny fahazoana zanany amin’ny alalan’ny fampiasana ny ampahany amin’ny volobe (botira, fototra,
markôtazy) dia mila fotoana ary afaka atao mialoha na mandritra ny fahavaratra izay fotoana mampisy
betsaka ny tsirimpanentana sy ny sakafo anatin’ny taho.

Fototra
Ny famindrana fototra volobe dia fomba fanaon’ny tantsaha manerantany. Ny fototra afindra dia ahitana
ampahan’ny taho, faritra ambonin’ny tany, (vaniny 3 na 5) ary ny ambanin’ny tany ahitana ny fakabe sy
ny fakakely. Ireo zavatra afindra ireo arak’izany dia ahitana ireo singa rehetra ahafahan’ny volobe
mitombo amin’ny maha zava- maniry azy.

7
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

1- Misafidiana taho ana volobe 2- Tapaho ilay taho eo 3- Esory ny tany manodidina
tanora, 1 na 2 taona, amin’ny ambonin’ny vaniny faha 3 na ilay faka ka tandremo sao
fototra volobe tianao faha 5 ambonin’ny tany izay manimba azy. Zahao ny faritra
ampitomboina misy masony matanjaka tsara. mampifandray ny fakaben’ ilay
Raha tsy ahitana dia misafidy taho amin’ny fakaben’ny taho
taho eo ambony izay misy hafa.
maso na sampana.

4- Tapaho amin’ny antsy na tsofa 5- Saraho amin’ilay fototra 6- Avy hatrany dia ataovy anaty
maranitra ny faritra lehibe ilay fototra kely miaraka gony mando na zavatra hafa
mampifandray ny fakaben’ilay amin’ny taho vao avy misy eo antoerana ka apetraho
taho amin’ny fakaben’ny taho notapahinao teo. amin’ny aloka ary afindrao avy
hafa ka tandremo tsara tsy ho hatrany eny amin’ny tany
voakitika ny maso sy ny tsiry ambolena azy na eny amin’ny
mbola kely. taninjanakazo.

Ny fototra avy notapahina dia afaka apetraka any amin’ny taninjanakazo mandritra ny 1 na 2 volana
(anaty tany fasehana na anaty kitapo) ambany alokakaloka ary tondrahana matetika. Rehefa
manomboka ny fahavaratra dia afaka volena eny amin’ny tany voatokana ho amin’izany.

Fikarakarana ny “botira”
Ny fampiasana “botira” amin’ny alalan’ny sampana dia fomba iray ampitomboana ny volobe kanefa tsy
hanimbana azy. Mety kokoa izy ho an’ny volobe manana sampana izay mivonto eo amin’ny fotony na
koa ireo volobe izay matevina nofo toy ny Dendrocalamus Spp sy Bambusa Spp. Ny fotoana tsara
anaovana azy dia ny fanombohan’ny fahavaratra (aorian’ny orana voalohandohany na koa ny telovolana
voalohan’ny fahavaratra).

1 – Misafidiana taho ana volobe 2 – Tapaho tsara amin’ny 3 – Raiso ny vaniny 3-5 miala eo
1 – 3 taona misy sampana tsofa maranitra ny fototr’ilay amin’ilay fotony mivonto. Mba
lehibe. Safidio mba hisy fotony sampana lehibe. Tandremo ampihena ny fahaverezandrano,
mivonto ilay sampana. Mitovy sao silaka. Azo ampiasaina rehefa avy manapaka ilay
bika amin’ny fakabe. (Misy ihany koa ny sampana faharoa sampany dia esory ny zana-
fakakely, masony ary raviny) amin’ilay sampana lehibe tsampany fahatelo.
(misy fototra mivonto)

8
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

4- Ny zana-tsampany lehibe dia 5- Rehefa avy notapahina dia 6- Atao amin’ny taninjanakazo
tapaho amin’ny tsofa, sekatera fonosina anaty gony mando mba hanome faka tsara
kosa no ampisao rehefa manala ireo botira na atao anaty rano
ny raviny sy ny zanatsampany mba tsy ho maina. Taterina
madinika. (fakakely, masony ary haingana eny amin’ny
ravina) taninjanakazo avy eo

Fampiasana markotazy

Ny markôtazy dia fampiasana ny taho na ny sampana (ny vaniny) izay atao anaty tany na fangaro hafa
(tany, fasika, zezimpahitra, mololo sns) mba hampitsiry ny faka sy hiforonan’ny tsiry vaovao avy amin’ny
maso/vaniny. Teknika mahomby ahazoana zanakazo avy amin’ny vaniny na masony izay mbola miaraka
amin’ny reniny. Ity fomba ity dia mampitsiry faka amin’ny sampana nefa tsy misaraka amin’ny reniny.

1- Sampana izay efa misy maso 2- Tapaho ny ampahatelon’ny 3- Fonosina anaty plastika misy
matanjaka sy fakakely ivelan’ny sampana amin’ny andaniny roa. fangaro ilay sampana notapahina
tany no safidiana. (eo amin’ny faritra ary atao mando foana.
ifandraisan’ny taho sy ny
sampana).

4- Ny fangaro ampiasaina 5- Zanany azo afindra dia 6- Atao anaty kitapon-janakazo


hampitsiry ny faka dia tany, tokony efa misy fakabe, avy hatrany ny zanany
zezimpahitra nafangaro mololo fakakely, taho ary ravina velona nosarahana. Anapahana kely ny
sy ravina efa lo. Fahavaratra no tsara no afindra. Mampiasà sampana sy ny ravina mba
tena tsara anaovana azy antsy na tsofa maranitra. hahakely ny rano very.

9
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

Fampiasana ny fanasarahana faka antsoina hoe macroproliferation

Ny fampitomboana ny zanaka volobe amin’ny alalan’ny fanasarahana ny faka dia antsoina hoe
macroproliferation. Amin’izany dia afaka ampitomboana roa na telo heny ny zanaka volobe. Zanaka
volobe 4 na 6 volana, voakarakara tsara sy ahitana taho maromaro (telo na mihoatra) izay ahitana
fakabe sy fakakely mitsiry tsara no tokony anaovana ny fanasarahana. Alohan’ny anombohana ny asa
fanasarahana ny zanaka volobe azo avy amin’ny voany na avy amin’ny ampahan’ny zavamaniry (botira,
markôtazy) dia tondrahana rano tsara ary esorina ny ahidratsy.

Andro vitsivitsy mialoha ny fanasarahana dia mila tondrahana rano matetika ny zanaka volobe mba
hampalemy tsara ny tany sy tsy hanimba ny fakany. Mba hahakely ny taham-pahafatesana dia tsara raha
atao ny folakandro ny fanasarahana ny fakabe na koa amin’ny andro mangatsiatsiaka (ohatra mandritra
ny andro manorana).

1 – Esory ny kitapo plastika sy ny tany manodidina 2 – Tandremo tsara tsy ho simba ny fakabe,
ny fakabe sy ny fakakely fakakely sy ny tsiry.

3 – Sasao ny tapany ambany misy tany (fakabe sy 4- Mampiasà sekatera na antsy maranitra
fakakely) mba hahamora ny fahitana ny faritra anasarahana ny faritra ikambanan’ny fakabe
ikambanan’ny fakabe anankiroa izay tokony anankiroa. Ny zanaka volobe anankiroa
hosarahina. voasaraka dia tokony samy manana fakabe,
fakakely ary taho velona tsara.

10
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

5- Tapaho ny 75%n’ny ravina sy sampana mba 6- Zanaka volobe voasaraka ka azo atao anaty
hahakely ny rano very. kitapon-janakazo

7- Raha vao vita ny fanasarahana ny fakabe dia atao 8- Alahatra anaty taninjanakazo, apetraka anaty
anaty kitapon-janakazo avy hatrany ny zanaka malomaloka
volobe ary tondrahana.
3.1.2. Fametrahana sy fikarakarana taninjanakazo
3.1.2.1. Dingana arahana amin’ny fametrahana sy fikarakarana
taninjanakazo

1 - Misafidy ny 2 - Mamaritra ny
kazarana toerana hametrahana ny 3 - Manatanteraka
taninjanakazo taninjanakazo: marina ny asa sy mikarakara
(maharitra na tsy tsara, tsy be rivotra, ny taninjanakazo
maharitra) akaiky rano

3.1.2.2. Fomba fikarakarana ny taninketsa amafazana voa

11
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

1- Fikarakarana taharo: afangaro ny tany 2- Fikarakarana ny soriboly : Asiana


masaka 1 fatra + tany mena 1 fatra + faska 1 taharo manana hatevenana 5 hatramin’ny
fatra 10sm ny soriboly. Tondrahana rano
mialoha ny famafazana

3- Fametrahana ny soriboly (plate-bande): 4- Fomba famafazana :


Manorita lavaka lavalava marivo amin’ny tanana na Arotsahy anaty lavaka ny voa. Aza avela hisy
hazokely (~5 mm ny halaliny). latsaka ivelan’ny lavaka.

5- Totofy ny lavaka rehefa voafafy ny voa 6- Rakofana ahitra na bozaka ny ambioka


amin’ny tany niala tamin’ny lavaka. voafafy ary tondrahana isanandro

12
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

Afafy amin’ny soriboly misy tany avoavo tsy iandronan’ny rano ny voa. Ny fangaron-tany ampiasaina
dia tany tsotra iray (01) fatra, fasika iray (01) fatra ary zezi-pahitra iray (01) fatra. Azo ovaina io
fangaro io arakaraky ny karazantany ampiasaina. Asiana alokaloka fa tsy avela amin’ny masoandro
mivantana (ambany hazo na asiana fialofana).

3.1.2.3. Fikarakarana taniketsa botira

Tany ampiasaina
Mampiasà taninjanakazo misy fasika. Fasika madio sy mora vidy, izay hita eo an-toerana. Ny fasika
mantsy dia tsy mitana rano, manamora ny fandehanan’ny rivotra sy ny fiforonan’ny faka. Kely kokoa ny
fahasimban’ny faka rehefa mamindra ny zanakazo. Azo atao ihany koa ny mitatitra ny botira ampiasaina
anaty fasika.

Taninjanakazo
Afaka atao toy izao manaraka izao ny refin’ny soriboly: haavony: 20sm, sakany: 1,20m, halavany: 5 –
10m na mihoatra, arakaraky ny ilàna azy.

1 – Alohan’ny ambolena dia anapaho kely ny ilan’ny 2 – Lavaho amin’ny tanana ny tany/fasika dia
botira dia alona anaty rano misy fungicide atsatohy ny fototry ny botira, ilay faritra misy
mandritra ny 5 minitra (1 ml/g anaty rano 1 litatra). mivonto iny.

3- Asio tainomby lena na tanimanga ny tampon’ilay 4- Tondrahana rano in-3 na 4 isanandro ny


botira mba tsy hahalaky maina azy sy tsy hahabe ny botira, ny vatany sy ny fotony. Arahi-maso ny
rano very lasa entona. Asiana alokaloka ihany koa fiforonan’ny fakakely sy ny fakabe. Rehefa mitsiry
ny soriboly. tsara ireo faka ireo dia tandremana tsara rehefa
mamindra azy mba tsy hisy tapaka.

13
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

5- Misy tsiry mivoaka avy amin’ilay maso ao 6- Mampiasà kitapon-janakazo15x20 sm asiana


amin’ny fototra mivonto afaka 10 na 20 andro. tany sy fasika ary zezipahitra amin’ny fatra 1:1:1
Mety maharitra 25 ka hatramin’ny 90 andro ny (mitovy habetsany avy) ary asiana compost 3:1.
fitsirin’ny faka arakaraky ny karazan’ny volobe sy
ny fotoana nakàna ny botira.

3.1.3. Fanesehana ny kitapon-janakazo sy fanetsana ny zanaka volo

Mandritra ny 03 ka hatramin’ny 06 herinandro aorian’ny famafazana ny fanetsana ny zanaka volo:

1- Mitsiry ny voa afaka dimy na 2- Tokony hitovy ny habetsaky ny 3- Fenoy tany efa vita fangaro
fito andro ka hatramin’ny faha 25 tany sy fasika ary zezipahitra atao aloha ny kitapon-janakazo zay vao
andro. Afaka afindra anaty anaty kitapon-janakazo (1:1:1). afindra ny zanakazo. Tondray rano
kitapon-janakazo ny zanaka volo Raha efa tany fasehana kosa dia tsy avy eo mba hifitsaka.
rehefa misy ravina 4 na 6. asiana fasika intsony fa ampiana
zezipahitra ampahatelony (3:1)

4- Manaova lavaka kely amin’ny 5- Arotsahy ao ny fakan’ilay 6- Atao ambanin’ny alokaloka (50
tanana na hazokely. Tokony ho zanakazo. Somary tsindrio amin’ny na 75%) na ambanin’ny hazo ny
15x20sm farafahakeliny ny tanana ny tany manodidina. zanakazo mandritra ny iray na roa
halehiben’ny kitapon-janakazo volana alohan’ny ametrahana azy
amin’ny masoandro mivantana.

3.1.4. Fikolokoloana ny zanaka volobe

Tsy maintsy araha-maso tsara ny fanirin’ny zanaka volobe : ao anatin’izay no hanaovana ny fiavana
(fanalàna ny ahi-dratsy), fanesorana ireo izay ratsy faniry na marefo.

14
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

1- Avaina ary alana ny zanaka 2- Mba hampaniry tsara azy dia 3- Zanakazo feno sivy volana no
volobe marefo na ratsy faniry mila tondrahana isan’andro ary tena tsara entina hovolena.
avaina matetika.

3.1.5. Toerana famatsiana zanaka volobe

Manjifa eny amin’ ireo Orinasa na Fikambanana na Olon-tsotra mamokatra zanakazo na eny amin’ny
toerana voatokana. Misy sarany eny amin’ny mpamokatra mivelona amin’izany ary jifaina maimaimpoana
kosa eny amin’ny toerana novatsian’ny fanjakana vola ka misy fepetra manokana arahina ny fahazoana
azy ireny.

Ireo mpamatsy Zanakazo Toerana / Adiresy


Ny Ministera mpiahy ny Ala (MEDD) amin’ny
Toerana voatokana (araka ny Politikam-
alalan’ireo ratsamangaika hita eny amin’ny faritra
panjakana misy)
(DREDD, D(I)REED, CIREED, CanFor)
Mpanao fikarohana mahakasika ny volobe FOFIFA, PROSPERER…
Fikambanana miantsehatra amin’ny fitantanana
VOI
ny Ala
Olon-tsotra na Mpamokatra zanakazo tsy Manatona ny biraon’ny sampandraharahan’ny
miankina tontolo iainana raha mila ny adiresin’izy ireo

3.1.6. Fomba famoahana ny zanaka volobe mialoha ny fambolena

Rehefa nijanona 06 ka hatramin’ny 09 volana eo ho eo tao amin’ny taninjanakazo ny zanaka volobe ka


mahazo faka tsara dia afaka entina eny amin’ny tany hambolena azy, ary tandrovana tsara mba tsy ho
tapaka sy tsy hiparitaka ny taharo ao anatin’ny kitapon-janakazo. Tandrovina ihany koa mba tsy ho
azon-drivotra be eny ambony fiara fa mahatonga azy ho marefo.

Raha zanaka volobe azo avy amin’ny botira sy markotazy dia efa nijanona 4 ka hatramin’ny 6 volana tao
anaty taninjanakazo dia azo afindra, ka ny roa volana tao anaty alokaloka.

3.2. Dingana amin’ny fambolena volobe

Ireo tany voatokana ho fambolenkazo dia mety amin’ny volobe avokoa. Arakaraka ny karazany no
ahafahany mizatra amin’ilay tany. Tandremana fatratra ny fambolena ireo karazany mihanaka ka mila
toromariky ny teknisianina

3.2.1. Fisafidianana ny tany

15
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

Ireto no fepetra vistivitsy ilaina raha hamboly volobe:


• Tany tsy be vato,
• Tsy iandronan’ny rano,
• Mety kokoa raha tany somary fasehana (misy ampahana fasika kely) manamora ny five-
laran’ny fakany.
Karazan-tany Toetra Elanelana Haben’ny lavaka
Tanimboly efa tsy Tany voakarakara
miasa na maty matetika 5m ny elanelan’ny
Tany fasihana lavaka roa. 50x50x50sm ny
Afaka ahena ho 3m halehiben’ny lavaka atao
Tany misolampy na Tany fasihana na be vato
arakaraky ny
avy nokaohon’ny karazan’ny volobe
riaka anefa izany.
Tany ngazana sy Tany ratsy – mafy 5m ny elanelan’ny Ho an’ny tany karakaina
ratsy Tany fasehana sy be lavaka roa. sy lavitra rano ary ho
vato an’ny zanakazo efa lehibe
kokoa dia manao lavaka
lehibe kokoa.
60smx60smx60sm
hatramin’ny 1x1x1m

400 ka hatramin’ny 500 fototra volobe isaky ny hektara no tokony hovolena. Raha misy tanjona
manokana dia azo ovaina io toy ny fiarovana ny nofotany amin’ny tany kisilasila mitsatoka, na
handrakotra volobe fotsiny ny toerana iray.

3.2.2. Fanomanana ny tany hambolena volobe

Atao miendrika diam-panorona ny lavaka mba hisorohana amin’ny fihotsahan’ny tany sy fitatazana ny
ranon’orana raha toerana misolampy. Mielanelana 3 ka haramin’ny 5 metatra ny lavaka.

3.2.3. Tekinikam-pambolena
3.2.3.1. Fandavahana

Atokana ny nofon-tany tsara - masaka (ambony) sy ny nofon-tany ratsy sy mafy (ambany).

16
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

2.Nofon-tany
1.Nofon-tany
manta arotsaka
masaka miala
farany ary asiana
voalohany
tsatoka hatao
marika
Iray volana mialoha ny fambolena no andavahana. Avahana ny tany ambony sy ny tany ambany.

60x60x60sm ny haben’ny lavaka ary mety hahatratra 1x1x1m raha mafy sy ratsy ny tany
3.2.3.2. Fanotofana ny lavaka sy fambolena

Fanotofana lavaka : Arotsaka aloha ny Zanakazo matanjaka tsara, misy ravina maro sy faka
tany masaka avy eo ny tany ratsy nampiana misandrahaka tsara ary efa nozarina masoandro no
fakofako na zezika ampiasaina ary mahatratra 50 sm farafahakeliny;

4 ka hatramin’ny 9 volana taorian’ny Tapahina ny antsasaky ny raviny tsirairay mba hialàna


namindrana azy tanaty kitapon-janakazo amin’ny fahaverezan’ny rano lasa entona
farafaha-keliny

17
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

3.3. Fikolokoloana ny zanaka volobe novolena

1. Fanasiana zezika: Afaka mampiasa 2. Atao tsara tototra ny lavaka rehefa mamboly ny
zezipahitra 5kg isaky ny lavaka na NPK zanakazo
50g. Afaka mampiasa ranoka zezipahitra
notapohina raha te hamelonaina ny zanaka
volobe rehefa ilaina izany.

3. Fandrakofana: Rehefa voavoly ny 4. Fametrahana aro afo manodidina ny toerana


zanakazo dia asiana fakofakom-bozaka na fambolenkazo: eo ho eo amin’ny 4m ny sakany ary
ravin-kazo manodidina ny fotony mba tokony ho diovina isan-taona. Mila diovina ihany koa ny
hitazomana hamandoana sy hitsihifan’ny ao anatin’ny faritra voavoly mba hisorohana ny afo ao
rano. anatiny.

5. Fiavana: Manala ahidratsy indroa 6. Fanosohana: rehefa misy zanakazo maty dia
isantaona indrindra amin’ny fotoana be soloina. Mandritra ny fotoan’ny orana no hanaovana ny
orana. fanosohana.

18
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

4. Tetiandron’ny fambolena volobe


Dingana amin’ny T1 T2 Fanamarihana
fambolenkazo sy asa atao Jol A S O N D J F M A M Jn
Famatsiana Fanagonana Amin’ny fotoana
voa voa mampatoy ny voa
Fikarakarana Voalohandohan’ny
botira orana
Famokarana Fikarakarana 6 volana na 1 taona
zanakazo plate- mialoha ny
bande/soriboly fambolena (jolay)
Famafazana Iray volana
farafahelany
aorian’ny
fanangonana ny voa
Fikarakarana 1 volana mialoha ny
ny tany fambolena raha tany
ambolena maina na sarodrano
volobe
Fambolena Fandavahana 1 volana mialoha ny
fambolena
Fitaterana ny Amin’ny andron’ny
zanakazo fambolena, izany
hoe amin’ny
fanombohan’ny
orana
Fambolena Amin’ny fotoana
fanombohan’ny
fahavaratra no tena
tsara. Mitohy
hatramin’ny volana
jona kosa ho an’ny
faritra atsinanana
izay mando lava.
Fikarakarana Fiavana Manala ahidratsy
ny hazo indroa isantaona
nambolena indrindra amin’ny
fotoana be orana.
Fanosohana Miankina amin’ny
zanakazo maty, fa
mandritra ny vanim-
potoanan’ny orana

5. Tombam-bidy amin’ny dingana fambolena volobe


Asa Fahafaha-manao Sandany
Manetsa (Répiquage ) 300 kitapon-janakazo/andro 20 Ar/kitapo
Mandavaka 50-70 Lavaka/Andro 500 Ar/lavaka
Fambolena 100 zanakazo/andro 100 Ar/volobe
Zezipahitra 5kg/lavaka 100Ar/kg
NPK 50g/lavaka 2500Ar/kg
Fanaovana aro afo 50-80m2/andro 5000 – 7000Ar/Andro
Fanadiovana fototra zanakazo (toerana
50-70 fototra/andro 5000 – 7000Ar/Andro
be bozaka)

19
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

6. Ireo mety ho fahasarotana misy amin’ny fambolena volobe


Amin’ny ankapobeny, tsy dia misy fahasarotana miseho amin’ny fambolena volobe fa ny tokony ho
tandremana kosa dia:

- Ny fisafidianana mialoha ny zanakazo mifanentana amin’ny toe-tany sy ny toe-trandro eo


antoerana;
- Ny fanaovana lavaka araka ny tokony ho izy satria tsy mety mitombo ny zanakazo volena anaty
tany mafy;
- Ny fampiasana zanakazo 50sm na mihoatra satria mora maty ny zanakazo kely loatra;
- Ny fambolena azy anaty fahavaratra (tondrahana raha toa ka tsy avy ny orana rehefa avy
mamboly azy voalohany iny sy ny andro vitsivitsy manaraka, mandra-pazahoany aina tsara);
- Ny fiarovana amin’ny omby satria tena ankafiziny ny raviny;
- Ny fiarovana amin’ny bibikely: raha sendra misy aretina na bibikely dia manatona mpivarotra
fanafodimbibikely maka torohevitra amin’ny fanafody tokony ampiasaina.

20
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

Ny fanontana sy ny fanapariahana ity torolalana ity dia notohanan’ny USAID

amin’ny alalan’ny Tetikasa USAID Hay Tao

Sy ny tantsoroka ara-teknikan’ny Fikambanana

21
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe

- ITY BOKY ITY DIA TSY AZO AMIDY -

This document is made possible by the support of the American People through the United States Agency for International Development
(USAID.)

The contents of this document are the sole responsibility of the USAID Hay Tao Program and do not necessarily reflect the views of
USAID or the United States Government.

22

You might also like