Professional Documents
Culture Documents
FAMBOLENA VOLOBE
Jolay 2020
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
Fanoroana pejy
1. Famaritana ny mombamoba ny volobe eto Madagasikara ........................................... 1
0
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
1
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
2
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
3
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
Mila manaraka ny dingana efa misy sy maka toky amin’ny Manampahefana eo an-toerana ary
manatanteraka fifanarahana.
4
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
1- Manatona ny
sampandraharahan’ ny ala 3 - Mila mifanaraka
akaiky anao indrindra eny 2 - Miara-mijery tsara amin'ny Drafi-
anivon’ny faritra (DREDD, ifotony ny toerana irina panajariana misy ary
cantonnement) - DFN hambolena volobe manatanteraka
(Domaine Forestier fifanarahana
National)
4 - Mampita ny sarin-tany
voavoly amin'ny 3 - Manatanteraka ny fambolena volobe
sampandraharahan'ny ala mifanaraka amin'ny fenitra ara-tekinika sy
akaiky, ireo karazana volobe mametraka ny fiarovana toy ny aro afo
nambolena sy ny isany
5
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
Fanamarihana : ireo karazana volo zanatany no ambara ato anaty tabilao, ireo karazana volo
nampidirina hatramin’ny taona 2010 dia vaventy azo anaovana fanaka, trano, arina. Ary ireo karazana
volobe na vahiny, na zanatany na naka volontany dia samy azo ampiasaina hanaovana zavatra maro.
Indray mandeha mamoa ihany ny volobe ary maty izy rehefa avy eo. Arakaraky ny karazany ny fotoana
amoazany ka mety ho 40 ka hatramin’ny 200 taona izany. Miovaova araka ny karazany ny habeny ka
misy mitovy amin’ny akotry ary misy kosa mitovy amin’ny manga. Fotoana fohy, iray na roa volana
monja dia tsy afaka mitsiry intsony ny voan’ny volobe ka tsy azo tehirizina ela. Tsara raha afafy faran’izay
haingana. Arakaraky ny maha ela ny fiandrasana no maha betsaka ny voa maty. Alohan’ny amafazana
azy dia azo atao ny mandona ny voa anaty rano mandritra ny alina.
6
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
Manjifa eny amin’ ireo Orinasa na fikambanana na Olon-tsotra na toerana mpamatsy ambioka voafantina sy
manara-penitra :
Azo atao ny manatona ireo sampandraharan’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy akaiky
izay afaka manome fanazavana fanampiny momba ny famatsiana voa
1 – Fiotazana (voa matoy tsara, 2 – Alohan’ny amafazana azy 3 – Tsara raha tonga dia afafy ny
tsy simba na lanin’ny biby) dia azo atao ny mandona ny voa rehefa avy nangonina fa tsy
voa anaty rano mandritra ny iandrasana ela.
alina.
Raha liana mahakasika ny antsipirihany teknika dia manantona ny teknisiana eny amin’ny
Sampandraharan’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy eny amin’ny Faritra
Fototra
Ny famindrana fototra volobe dia fomba fanaon’ny tantsaha manerantany. Ny fototra afindra dia ahitana
ampahan’ny taho, faritra ambonin’ny tany, (vaniny 3 na 5) ary ny ambanin’ny tany ahitana ny fakabe sy
ny fakakely. Ireo zavatra afindra ireo arak’izany dia ahitana ireo singa rehetra ahafahan’ny volobe
mitombo amin’ny maha zava- maniry azy.
7
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
1- Misafidiana taho ana volobe 2- Tapaho ilay taho eo 3- Esory ny tany manodidina
tanora, 1 na 2 taona, amin’ny ambonin’ny vaniny faha 3 na ilay faka ka tandremo sao
fototra volobe tianao faha 5 ambonin’ny tany izay manimba azy. Zahao ny faritra
ampitomboina misy masony matanjaka tsara. mampifandray ny fakaben’ ilay
Raha tsy ahitana dia misafidy taho amin’ny fakaben’ny taho
taho eo ambony izay misy hafa.
maso na sampana.
4- Tapaho amin’ny antsy na tsofa 5- Saraho amin’ilay fototra 6- Avy hatrany dia ataovy anaty
maranitra ny faritra lehibe ilay fototra kely miaraka gony mando na zavatra hafa
mampifandray ny fakaben’ilay amin’ny taho vao avy misy eo antoerana ka apetraho
taho amin’ny fakaben’ny taho notapahinao teo. amin’ny aloka ary afindrao avy
hafa ka tandremo tsara tsy ho hatrany eny amin’ny tany
voakitika ny maso sy ny tsiry ambolena azy na eny amin’ny
mbola kely. taninjanakazo.
Ny fototra avy notapahina dia afaka apetraka any amin’ny taninjanakazo mandritra ny 1 na 2 volana
(anaty tany fasehana na anaty kitapo) ambany alokakaloka ary tondrahana matetika. Rehefa
manomboka ny fahavaratra dia afaka volena eny amin’ny tany voatokana ho amin’izany.
Fikarakarana ny “botira”
Ny fampiasana “botira” amin’ny alalan’ny sampana dia fomba iray ampitomboana ny volobe kanefa tsy
hanimbana azy. Mety kokoa izy ho an’ny volobe manana sampana izay mivonto eo amin’ny fotony na
koa ireo volobe izay matevina nofo toy ny Dendrocalamus Spp sy Bambusa Spp. Ny fotoana tsara
anaovana azy dia ny fanombohan’ny fahavaratra (aorian’ny orana voalohandohany na koa ny telovolana
voalohan’ny fahavaratra).
1 – Misafidiana taho ana volobe 2 – Tapaho tsara amin’ny 3 – Raiso ny vaniny 3-5 miala eo
1 – 3 taona misy sampana tsofa maranitra ny fototr’ilay amin’ilay fotony mivonto. Mba
lehibe. Safidio mba hisy fotony sampana lehibe. Tandremo ampihena ny fahaverezandrano,
mivonto ilay sampana. Mitovy sao silaka. Azo ampiasaina rehefa avy manapaka ilay
bika amin’ny fakabe. (Misy ihany koa ny sampana faharoa sampany dia esory ny zana-
fakakely, masony ary raviny) amin’ilay sampana lehibe tsampany fahatelo.
(misy fototra mivonto)
8
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
4- Ny zana-tsampany lehibe dia 5- Rehefa avy notapahina dia 6- Atao amin’ny taninjanakazo
tapaho amin’ny tsofa, sekatera fonosina anaty gony mando mba hanome faka tsara
kosa no ampisao rehefa manala ireo botira na atao anaty rano
ny raviny sy ny zanatsampany mba tsy ho maina. Taterina
madinika. (fakakely, masony ary haingana eny amin’ny
ravina) taninjanakazo avy eo
Fampiasana markotazy
Ny markôtazy dia fampiasana ny taho na ny sampana (ny vaniny) izay atao anaty tany na fangaro hafa
(tany, fasika, zezimpahitra, mololo sns) mba hampitsiry ny faka sy hiforonan’ny tsiry vaovao avy amin’ny
maso/vaniny. Teknika mahomby ahazoana zanakazo avy amin’ny vaniny na masony izay mbola miaraka
amin’ny reniny. Ity fomba ity dia mampitsiry faka amin’ny sampana nefa tsy misaraka amin’ny reniny.
1- Sampana izay efa misy maso 2- Tapaho ny ampahatelon’ny 3- Fonosina anaty plastika misy
matanjaka sy fakakely ivelan’ny sampana amin’ny andaniny roa. fangaro ilay sampana notapahina
tany no safidiana. (eo amin’ny faritra ary atao mando foana.
ifandraisan’ny taho sy ny
sampana).
9
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
Ny fampitomboana ny zanaka volobe amin’ny alalan’ny fanasarahana ny faka dia antsoina hoe
macroproliferation. Amin’izany dia afaka ampitomboana roa na telo heny ny zanaka volobe. Zanaka
volobe 4 na 6 volana, voakarakara tsara sy ahitana taho maromaro (telo na mihoatra) izay ahitana
fakabe sy fakakely mitsiry tsara no tokony anaovana ny fanasarahana. Alohan’ny anombohana ny asa
fanasarahana ny zanaka volobe azo avy amin’ny voany na avy amin’ny ampahan’ny zavamaniry (botira,
markôtazy) dia tondrahana rano tsara ary esorina ny ahidratsy.
Andro vitsivitsy mialoha ny fanasarahana dia mila tondrahana rano matetika ny zanaka volobe mba
hampalemy tsara ny tany sy tsy hanimba ny fakany. Mba hahakely ny taham-pahafatesana dia tsara raha
atao ny folakandro ny fanasarahana ny fakabe na koa amin’ny andro mangatsiatsiaka (ohatra mandritra
ny andro manorana).
1 – Esory ny kitapo plastika sy ny tany manodidina 2 – Tandremo tsara tsy ho simba ny fakabe,
ny fakabe sy ny fakakely fakakely sy ny tsiry.
3 – Sasao ny tapany ambany misy tany (fakabe sy 4- Mampiasà sekatera na antsy maranitra
fakakely) mba hahamora ny fahitana ny faritra anasarahana ny faritra ikambanan’ny fakabe
ikambanan’ny fakabe anankiroa izay tokony anankiroa. Ny zanaka volobe anankiroa
hosarahina. voasaraka dia tokony samy manana fakabe,
fakakely ary taho velona tsara.
10
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
5- Tapaho ny 75%n’ny ravina sy sampana mba 6- Zanaka volobe voasaraka ka azo atao anaty
hahakely ny rano very. kitapon-janakazo
7- Raha vao vita ny fanasarahana ny fakabe dia atao 8- Alahatra anaty taninjanakazo, apetraka anaty
anaty kitapon-janakazo avy hatrany ny zanaka malomaloka
volobe ary tondrahana.
3.1.2. Fametrahana sy fikarakarana taninjanakazo
3.1.2.1. Dingana arahana amin’ny fametrahana sy fikarakarana
taninjanakazo
1 - Misafidy ny 2 - Mamaritra ny
kazarana toerana hametrahana ny 3 - Manatanteraka
taninjanakazo taninjanakazo: marina ny asa sy mikarakara
(maharitra na tsy tsara, tsy be rivotra, ny taninjanakazo
maharitra) akaiky rano
11
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
12
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
Afafy amin’ny soriboly misy tany avoavo tsy iandronan’ny rano ny voa. Ny fangaron-tany ampiasaina
dia tany tsotra iray (01) fatra, fasika iray (01) fatra ary zezi-pahitra iray (01) fatra. Azo ovaina io
fangaro io arakaraky ny karazantany ampiasaina. Asiana alokaloka fa tsy avela amin’ny masoandro
mivantana (ambany hazo na asiana fialofana).
Tany ampiasaina
Mampiasà taninjanakazo misy fasika. Fasika madio sy mora vidy, izay hita eo an-toerana. Ny fasika
mantsy dia tsy mitana rano, manamora ny fandehanan’ny rivotra sy ny fiforonan’ny faka. Kely kokoa ny
fahasimban’ny faka rehefa mamindra ny zanakazo. Azo atao ihany koa ny mitatitra ny botira ampiasaina
anaty fasika.
Taninjanakazo
Afaka atao toy izao manaraka izao ny refin’ny soriboly: haavony: 20sm, sakany: 1,20m, halavany: 5 –
10m na mihoatra, arakaraky ny ilàna azy.
1 – Alohan’ny ambolena dia anapaho kely ny ilan’ny 2 – Lavaho amin’ny tanana ny tany/fasika dia
botira dia alona anaty rano misy fungicide atsatohy ny fototry ny botira, ilay faritra misy
mandritra ny 5 minitra (1 ml/g anaty rano 1 litatra). mivonto iny.
13
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
1- Mitsiry ny voa afaka dimy na 2- Tokony hitovy ny habetsaky ny 3- Fenoy tany efa vita fangaro
fito andro ka hatramin’ny faha 25 tany sy fasika ary zezipahitra atao aloha ny kitapon-janakazo zay vao
andro. Afaka afindra anaty anaty kitapon-janakazo (1:1:1). afindra ny zanakazo. Tondray rano
kitapon-janakazo ny zanaka volo Raha efa tany fasehana kosa dia tsy avy eo mba hifitsaka.
rehefa misy ravina 4 na 6. asiana fasika intsony fa ampiana
zezipahitra ampahatelony (3:1)
4- Manaova lavaka kely amin’ny 5- Arotsahy ao ny fakan’ilay 6- Atao ambanin’ny alokaloka (50
tanana na hazokely. Tokony ho zanakazo. Somary tsindrio amin’ny na 75%) na ambanin’ny hazo ny
15x20sm farafahakeliny ny tanana ny tany manodidina. zanakazo mandritra ny iray na roa
halehiben’ny kitapon-janakazo volana alohan’ny ametrahana azy
amin’ny masoandro mivantana.
Tsy maintsy araha-maso tsara ny fanirin’ny zanaka volobe : ao anatin’izay no hanaovana ny fiavana
(fanalàna ny ahi-dratsy), fanesorana ireo izay ratsy faniry na marefo.
14
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
1- Avaina ary alana ny zanaka 2- Mba hampaniry tsara azy dia 3- Zanakazo feno sivy volana no
volobe marefo na ratsy faniry mila tondrahana isan’andro ary tena tsara entina hovolena.
avaina matetika.
Manjifa eny amin’ ireo Orinasa na Fikambanana na Olon-tsotra mamokatra zanakazo na eny amin’ny
toerana voatokana. Misy sarany eny amin’ny mpamokatra mivelona amin’izany ary jifaina maimaimpoana
kosa eny amin’ny toerana novatsian’ny fanjakana vola ka misy fepetra manokana arahina ny fahazoana
azy ireny.
Raha zanaka volobe azo avy amin’ny botira sy markotazy dia efa nijanona 4 ka hatramin’ny 6 volana tao
anaty taninjanakazo dia azo afindra, ka ny roa volana tao anaty alokaloka.
Ireo tany voatokana ho fambolenkazo dia mety amin’ny volobe avokoa. Arakaraka ny karazany no
ahafahany mizatra amin’ilay tany. Tandremana fatratra ny fambolena ireo karazany mihanaka ka mila
toromariky ny teknisianina
15
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
400 ka hatramin’ny 500 fototra volobe isaky ny hektara no tokony hovolena. Raha misy tanjona
manokana dia azo ovaina io toy ny fiarovana ny nofotany amin’ny tany kisilasila mitsatoka, na
handrakotra volobe fotsiny ny toerana iray.
Atao miendrika diam-panorona ny lavaka mba hisorohana amin’ny fihotsahan’ny tany sy fitatazana ny
ranon’orana raha toerana misolampy. Mielanelana 3 ka haramin’ny 5 metatra ny lavaka.
3.2.3. Tekinikam-pambolena
3.2.3.1. Fandavahana
16
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
2.Nofon-tany
1.Nofon-tany
manta arotsaka
masaka miala
farany ary asiana
voalohany
tsatoka hatao
marika
Iray volana mialoha ny fambolena no andavahana. Avahana ny tany ambony sy ny tany ambany.
60x60x60sm ny haben’ny lavaka ary mety hahatratra 1x1x1m raha mafy sy ratsy ny tany
3.2.3.2. Fanotofana ny lavaka sy fambolena
Fanotofana lavaka : Arotsaka aloha ny Zanakazo matanjaka tsara, misy ravina maro sy faka
tany masaka avy eo ny tany ratsy nampiana misandrahaka tsara ary efa nozarina masoandro no
fakofako na zezika ampiasaina ary mahatratra 50 sm farafahakeliny;
17
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
1. Fanasiana zezika: Afaka mampiasa 2. Atao tsara tototra ny lavaka rehefa mamboly ny
zezipahitra 5kg isaky ny lavaka na NPK zanakazo
50g. Afaka mampiasa ranoka zezipahitra
notapohina raha te hamelonaina ny zanaka
volobe rehefa ilaina izany.
5. Fiavana: Manala ahidratsy indroa 6. Fanosohana: rehefa misy zanakazo maty dia
isantaona indrindra amin’ny fotoana be soloina. Mandritra ny fotoan’ny orana no hanaovana ny
orana. fanosohana.
18
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
19
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
20
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
21
Tari-dàlana ho amin’ny fambolena Volobe
This document is made possible by the support of the American People through the United States Agency for International Development
(USAID.)
The contents of this document are the sole responsibility of the USAID Hay Tao Program and do not necessarily reflect the views of
USAID or the United States Government.
22